<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry mpisaona malahelo,
 Mijere ny Tomponao,
 Izay namindra ny malala
 Mba ho ao an-danitra ;
 Mba fafao ny ranomaso,
 Andrandrao ny lanitra
 Mitsahara, ry mpisento,
 Ka derao ny Tomponao !

[V2]
 Nofo no anterintsika
 Ao am-pasana anio ;
 Ny fanahinay anefa
 Tsy mba ao anatin'io.
 Jeso no namindra azy,
 Lasany ny havanao,
 Fa navotany ho Azy,
 Ka derao ny Tomponao !

[V3]
 Mangataha fahendrena,
 Ka isao ny andronao ;
 Mikatsaha famonjena
 Sy fiainana vaovao,
 Mba horaisiny tokoa
 Honina any Aminy,
 Ka hekeny ho sakaiza,
 Mba ho ao an-tranony.</lyrics>
<title>Ry mpisaona malahelo FFPM665</title>
<hymn_number>665</hymn_number>
<author>W.H. Monk</author>
</song>